<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>574</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Aza kivy hianao
 Azom-pahoriana,
 Tany no fonenanao,
 Misy fihafiana.
 Matokia hianao
 Raha tratrin'ny manjo,
 Jeso Tompo herinao,
 Aza mety rera-po.

[V2]
 Aza kivy hianao
 Noho ny manjo izao,
 Raha Jeso aminao,
 Afa-tahotra hianao ;
 Matokia hianao
 Fa ny Tompo tia tokoa,
 Ka izao rehetra izao
 Dia mety mahasoa.

[V3]
 Aza kivy hianao
 Na dia ory aza etý,
 Ny Mpanjaka Tomponao
 Mba nihafy koa tetý ;
 Matokia hianao
 Na inona mihatra izao,
 Jeso Ilay Sakaizanao
 Tsy mba mahafoy anao.</lyrics>
<title>Aza kivy hianao FFPM574</title>
</song>